<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Hitsahatra aiza, ry foko, izao ? FFPM524</title>
<lyrics>[V1]
 Hitsahatra aina, ry foko,
 izao ?
 Ka iza ataonao hiaro anao ?
 Ny tany va misy hitsaharan'
 ny fo,
 Na lova tsy simba, tsy mety
 ho lo ?
 Tsia, tsia, tsy mba atý izany,
 Fa any an-danitra erý.

[V2]
 Afoizo ny tany izay manindao
 Katsaho ny lanitra ho lovanao
 Jerosalema any, tanàna
 vaovao
 Sy tsara tokoa, miandry anao,
 Eny, eny, ao dia ao
 No misy tokoa
 fonenam-baovao.

[V3]
 Ny mponina ao dia tretrika
 am-po.
 Fa resy ny ota, mahery ny tò
 Ka faly midera ny Tompo
 ny ao ;
 Ny mino hihira ny hira
 vaovao !
 Indro, indro, be dia be tokoa
 Ny soa ao an-danitra ao re !</lyrics>
<hymn_number>524</hymn_number>
<author>H.R. Bishop</author>
</song>